(Couplet 1)
Any an-tany lavitra aho no mamita iraka,
Mitondra adidy, miaritra hatsiaka.
Ny basy eny an-tsoroka, ny fo kosa marary,
Fa ny eritreritro any aminao foana ry tary.
Any Tsaratanana ianao no miandry ahy any,
Fa izaho aty lavitra miady amin’ny mangina sy ny alina.
Efa akaiky hono ny tsingerintaonanao,
Nefa i papa tsy eo hanoroka anao.
Tadidiko ireny sangisangy nataontsika,
Ilay fihomehezanao mbola velona ato an-tsaiko.
Rehefa alina mangina ny toby misy anay,
Ny ranomasoko latsaka tsy hay afenina intsony zahay…
Te hiantso anao aho hoe : “anao manao ahoana?”
Fa ny elanelana sy ny fiainanay efa niova lalana…
🎧 (Voice message – zanaka vavy) 💔
“Papa…
malahelo anao foana aho…
fa ianao tsy tonga maka ahy mihitsy…
Mba rahoviana ianao no ho avy aty amiko makany aminao?”
(pause kely… feo mangina…)
“Ary… Aaron koa matsiaro anao…
mila anao foana izy…” 💔
(Refrain – Français) 🎶
Joyeux anniversaire mon ange… même si je suis loin,
Ton papa pense à toi chaque soir, chaque matin.
Je souris devant les autres… mais je pleure en silence,
Car ton absence fait saigner mon existence.
Si tu savais combien ton rire me manque aujourd’hui,
Moi le soldat fort… je deviens faible chaque nuit.
Je prie le ciel pour qu’un jour tu comprennes enfin…
Que même de loin… ton papa t’aime plus que sa vie… 💔
(Couplet 2)
Mbola tadidiko ianao nipetraka an-tratrako,
Nilaza hoe : “Papa aza mandeha lavitra loatra o…”
Fa ny asa sy adidy tsy maintsy tanterahina,
Na ny fo aza maratra tsy maintsy afenina.
Ny mamanareo sy izaho efa tsy miara-dalana intsony,
Fa i papa mbola miverina ao aminao foana rehefa misy fotoana kely.
Any Tsaratanana ilay zanako vavy no miandry,
Izaho aty miady amin’ny fahanginana sy ny mangirifiry.
Indraindray aho mangina mijery lanitra,
Manontany tena hoe mbola mahatsiaro ahy ve ianao sa tsia…
Ny namako ato anaty tafika mahita ahy mitokana,
Fa tsy fantatr’izy ireo ny ratra tsy voatana…
(Outro)
Indray andro any…
Hiverina i papa…
Dia tsy hisy intsony ny ranomaso sy elanelana…
Fa izao aloha…
Dia hira no ampitaiko any aminao