Andohananara, lay tanàna tsara
ao atsimo ny fianara, aleo mazava tsara.
tanana kely, fa tsy foiko Sady tsy ariko
andohananara letsy le tany fiaviko
ndre de soa nen'olo fa nena koa tsy ariko
fa andohananara lay toerana tena tiko.
Andohananara, lay tanàna tsara
ao atsimo ny fianara, aleo mazava tsara.
hafa hiany lay tanàna a! fa tanana mahatamana
ao daholo ny fianakaviana,
sosoa aby tsy manahy fa Salama
isan'andro de miara mikorana
Andohananara, lay tanàna tsara
ao atsimo ny fianara, aleo mazava tsara.
raha handeha aty aminay, mitongava ambalavao
Telo aotra telo boit postal nay ao
ano roba mandrosoa anao
Andohananara, lay tanàna tsara
ao atsimo ny fianara, aleo mazava tsara.
Miala ambalavao mandray taxy bé
Dimanjato sy gala fotsiny leka hoa ny frais
Misy tombile maro no miasa sprinter bedabe
Mandrosoa mandrosoa enao ramose
Miala ambalavao elah de mandalo androka
Ra bandy rasta mandrosoa hitrotroka
Fa aza kanosa,
Ataovy anaty say n'y adidy tsy maintsy tontosa.
Andohananara, lay tanàna tsara
ao atsimo ny fianara, aleo mazava tsara.
Androka, andalamahitsy, ambalamena, iaritsena,
Andranoboboka, mahavanona, ambalalova de betanimena.
Andohananara aty hoa jerena.