

Prompt / Lyrics
Zah koa Mbola velonaina
Iriko ny miantsohantso anaranao
Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin'ny faran'ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana
REFRAIN 2×
Faly midera anao!!
Faly midera anao Zahay jesosy
Lehibe ny hery hanagnanao
Faly midera anao Zahay jesosy
Maro be ny asa vitanao
Faly midera anao Zahay jesosy
Fa lehibe ny voninahitrao!!
Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
REFRAIN 2×
Faly midera anao!!
Faly midera anao Zahay jesosy
Lehibe ny hery hanagnanao
Faly midera anao Zahay jesosy
Maro be ny asa vitanao
Faly midera anao Zahay jesosy
Fa lehibe ny voninahitrao!!
Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika.
Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,
Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema!!!
REFRAIN 2×
Faly midera anao!!
Faly midera anao Zahay jesosy
Lehibe ny hery hanagnanao
Faly midera anao Zahay jesosy
Maro be ny asa vitanao
Faly midera anao Zahay jesosy
Fa lehibe ny voninahitrao!!
Fideragnanay,ho anao mandrakizay !!! Jesosy !!
Amen !!!!
Tags
Zouk gospel guitare, piano
4:45
No
4/4/2026